Taratasin'i Zama ,
Akory ianao ry zoky malala,
Dia nilaozanao koa izahay ,ka lasa ianao ary mba rahoviana ny anjarako ?
Tsy ho lava resaka aho akory fa teny fohy ihany .
Latsaka ny ranomason'i Neny , i Dada kosa toa tsy be teny lasalasa vinany nahita anao niditra anatin'iny fiaramanidina be iny. Be ireo hafatra, maro koa ireo toro hevitra , ka aza adino re ireo na dia aty alavitra aty aza ianao; saino , eritrereto rahavana, halao ambony halao ambany .
Aza atao ambanin-javatra ny tenin-dray aman-dreny , fa fitiavana no hanaovany an' izany .
Sady koa anie Razoky aza adino fa raha zaza hono tsy hendry , ny ray aman-dreny no voa-tombantombana .
Koa sao mampievona ny maty any am-pasana fa hajao ny toro hevitra nomen'i Dada sy Neny. Toy ny tsipak'ombalahy hono mantsy ny tenin-dray aman-dreny : raha mahavoa maha faty , raha tsy mahavoa maha fanina.
Izay ary no izy Razoky fa teny kely mba natsipy ny ahy iny .
Veloma mandra-panoratra indray ry zoky malala , fa nilaozanao koa izahay ka lasa amin'izany atao hoe an-dafy ianao . Ary mba rahoviana ny anjarako .
Retour à la Page d'Accueil
Akany Béryl Rose ~ Aogositra 1999
Takelaka notsongaina t@ Gazety Anjomara ( 01/04/1994 ) .
~ Laha-tenin' Atoa Fidy Razakasoa ~